| Entrée | 1 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Mots élémentaires | 2 Razakandraina, 3 Jean, 4 Verdi, 5 Salomon |
| Partie du discours | 6 nom propre (anthroponyme) [Liste complète] |
| Explications en malgache |
7 Razakandraina Jean Verdi Salomon (1913-1978) (dox
[3.1] 8 Azo lazaina ho anisan'ny poety malagasy fanta-daza indrindra amin'izao andro izao ny Mpanoratra. 9 Dox, Razakandraina Jean Verdi Salomon no tena anarany. 10 Teraka tamin'ny 13 Zanvie 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It. 11 Dr Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin'Antsirabe no tena fiaviany. 12 Sekoly maro no nianaran'i Dox: 13 sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. 14 Tao amin'ity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan'izy samy mpianatra tao izy, ka tamin'izay no nakany ny solon'anarana hoe " Dox" (mifanohitra amin'ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an'io noho izy tsy mba tia "paradoxe" ). 15 Tao amin'ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy, vao nisesy ny famoahany boky: 16 Ny Hirako (1940), Izy mirahavavy (1946), Hira va (1948), Solemita (1949), Rakimalala (1955), larivo (1956), Voninkazon'ny Tanteraka (1956), Ny Fitiavany (1957), Apokalipsy, Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958), Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Telomiova (1960). 17 Manampy ireo voalaza ireo, dia ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky: 18 Ny Ombalahibemaso, Savika ombalahy, Estera, ary ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin'ny teny malagasy vita poezia: 19 Le Cid, Horace ary Andromaque. 20 Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin'ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny Novambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Zanvie 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin'ny Jolay 1954), ka tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana. 21 Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin'ny soratr'i Dox: 22 fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin'ny nofo eo anoloan'ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan'ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana. 23 Ny fomba fanoratr'i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: 24 tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin'ny teny misy sary sy loko. [2.313] |
| Explications en français |
25 Jean Verdi Salomon Razakandraina, dit Dox, poète très populaire, né à Manankavaly, où son père était médecin, le 13 janvier 1913.
26 Il a fait ses études successivement à l'école publique d'Antsirabe, 27 puis à Ambohijatovo et au Collège Paul Minault, où il avait commencé à écrire, 28 étant à la tête d'un petit bulletin d'école. S'efforçant alors, autant que possible, 29 de ne pas "aller contre l'opinion commune", en d'autres termes, ne cultivant pas particulièrement 30 le paradoxe, il s'était plu à signer ses articles -- et ses condiciples l'appelèrent volontiers-- 31 DOX(E) : c'est ainsi, semble-t-il, qu'il fut porté à adopter le pseudonyme de "Dox". 32 Artiste dans le sens plein du terme, Dox a composé plusieurs chansons malgaches et a suivi des cours par 33 correspondance de dessin et de peinture. Son talent fécond en littérature s'est exprimé 34 -- dans des poèmes: 35 Ny Hirako (1940), 36 Izy Mirahavavy (1946), 37 hiravaRakimalala (1945), 38 Iarivo (1956), 39 Voninkazon' ny tanteraka (1956), 40 Ny fitiavany (1957), 41 Apokalipsy (1957), 42 Izy mirahalahy (1958), 43 Fahatsiarovan-tena (1958); 44 -- dans ses pièces historiques: 45 Amina Batsola (1958), 46 Mavo handray fanjakana (1958), 47 Ny Ombalahibemaso, 48 Ombalahy savika ombalahy; 49 -- ou inspirées de la Bible: 50 Solemita (1949), 51 Estera (1958); 52 -- ou traduites du français: 53 Le Cid (1961), 54 Horace (1962), 55 Andromaque (1964) [1.11] |
| Vocabulaire | 56 Histoire: personnages 57 Littérature: auteurs |
| Ouvrages littéraires |
58 Ali-mainty mamanala 59 Antsam-pitiavana 60 Asa izany 61 Farany 62 Feo mahery 63 Indro 64 Kintana mamony 65 Madagasikara 66 Ny Ombalahibemaso 67 Ny Varavarankelinao 68 Paiso 69 Tafatoetra 70 Teo amin' ny valsa 71 Tsikitsikinao 72 Tsy hodinganina ny maty 73 1940 Ny hirako 74 1948 Hira va? 75 1949 Solemita 76 1956 Iarivo 77 1956 Voninkazon' ny tanteraka 78 1957 Apokalipsy 79 1957 Ny Fitiavany 80 1958 Estera 81 1958 Fahatsiarovan-tena 82 1958 Izy mirahalahy 83 1958 Mavo handray fanjakana 84 1958 Ombalahy savika ombalahy |
| Illustrations |
|
| Mis à jour le 2025/11/20 |
|